Tamin’ny faran’ny herinandro lasa teo, jiolahy mirongo basy voalaza fa meherin’ny folo nitondra basy no nanafika teny amin’ny faritra Alasora. Bebe ihany ny vola lasa tamin’izany, araka ny voavao voaray. Ankoatra izany, nentin’ireo mpandroba koa ny finday hitany tao amin’ireo trano voatafika. Tamin’io fotoana nanafihan’ny jiolahy io dia tokantrano miisa dimy no notetezin’ireo mpangalatra. Nopotehiny tamin’ny « barre à mine » ny varavarana ary teo izy ireo no niditra. Misy ny olona nahare izany ary dia rifatra samy nitady lalana nandosirana. Tetsy andaniny anefa, nisy jiolahy nijanona tany ivelany. Ho an’ny olona iray, efa tena mafy ny ady ka avy eny ambony rihana izy no nitsambikina. Naratra vokatr’izany io olona io ary tapaka ny tongony. Voalaza fa tsy nisy olona intsony tao amin’ilay trano koa dia nanaram-po ireo mpangalatra naka izay tiany nalaina. Efa lasa ela izy ireo vao afaka nampandre ny mpitandro filaminana ireo voatafika. Efa misokatra ny fanadihadiana.
Nangonin’i r.s.