- Publicité -
mardi, mai 20, 2025
AccueilFaits-DiversAlasora : Jiolahy nitondra kalach, lasa ny vola sy entana maro

Alasora : Jiolahy nitondra kalach, lasa ny vola sy entana maro

Omaly maraina tamin’ny 2 ora, notafihan’ny jiolahy ny trano iray teny Alasora. Ny loharanom-baovao no nahalalana fa maro izy ireo fa ny telo no niditra tao amin’ilay trano. Basy kalaky sy sabatra no teny amin’izy ireo. Noraofin’izy ireo ny vola mitentina roa hetsy ariary, fitaovana fampandehanana hery avy amin’ny masoandro, telefonina ary zavatra hafa. Raha vao azony izany dia lasa ry zalahy. Ny vaovao no nahafantarana fa raha vao nanapitsoka varavarana izy ireo dia henon’ireo tompon-trano. Nisy tovovavy iray afaka nitsoaka tamin’izany ary nandeha nila vonjy teo amin’ny manodidina. Samy tsy nisy sahy nivoaka anefa noho ny tahotra ny basy. Nanjaka tao an-trano nandritra ny 30 minitra ireo mpandroba. Naka izay tiana nalaina. Ireo olona dimy mianaka moa tsy nisy sahy nihetsika intsony. Nisy ihany ny niantso mpitandro filaminana, saingy efa lasa ireo mpandroba vao tonga ireto farany. Natao avy hatrany fanarahana izay làlana nalehan’ireo mpangalatra ireo, saingy efa dila izy ireo. Teny an-dàlana no nahitana akanjo iray sy satroka izay heverin’ny maro fa an’ireo jiolahy. Efa misokatra amin’izao fotoana izao ny fanadihadiana.

r.s

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser