Avy nanao ny asa ratsiny, namaky tranon’olona tao Ambodivondava Andrefana, kaominina Alasora mihitsy ity lehilahy iray, 29 taona no tra-tehak’ireo fokonolona, rehefa avy nifanenjehana, teny an-toerana omaly. Efa saika ratsy fiafara ingahirainy, satria efa vonona tamin’ny fitsaram-bahoaka ireo fokonolona saingy soa ihany fa nalaky tonga ny pôlisy.
« Tokony ho tamin’ny iray ora tolakandro no naharay antso avy amin’ny fokonolona tao Ambodivondava Andrefana ny Polisy mahakasika ny fahatraran’izy ireo lehilahy iray, 29 taona, vao avy namaky tranon’olona teny an-toerana. Tonga teny an-toerana avy hatrany ny Polisy nizaha ifotony ny zava-nitranga ka voaaro tamin’ny fitsaram-bahoaka ity olon-dratsy ity », hoy ny fampitam-baovao azo avy amin’ny Sampana misahana ny serasera avy eo anivon’ny polisim-pirenena. Voalaza fa tamin’ny fotoana nahatratrarana ity olon-dratsy ity dia mbola tratra teny aminy ireo fitaovana isan-karazany fentiny manao ny asa ratsiny. Mbola nisy entana halatra maromaro ihany koa sarona teny amin’ity farany, araka ny voalazan’ny loharanom-baovao hatrany. Anisan’izany ny finday maromaro, fahitalavitra lehibe iray ary fitaovan-dakozia isan-karazany, ambanin’ny biby fiompy rehetra tao an-trano toy ny akoho sy voromailala vitsivitsy. Mbola ao anatin’ny fanadihadiana ity olon-dratsy ity tanteraka moa ireo polisy amin’izao ary « rehefa vita izany dia haverina amin’ny tompony ihany koa ireo entana ireo ».
m.L