- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversAlasora : Lehilahy sady mifoka no mibizina rongony

Alasora : Lehilahy sady mifoka no mibizina rongony

Maro amin’ireo mponina tokoa no mitaraina amin’ny firongatr’ireo olona mpifoka sy mpibizina rongony eny amin’iny faritra Alasora iny. Nandray andraikitra avy hatrany ny polisy ka nisy iray tamin’izy ireny no voasambotra teo am-panaovana ny asa ratsiny, ny “Vaovao avy amin’ny olona tsara sitra-po hatrany no nahafantaran’ny polisy misahana ny ady amin’ny zava-mahadomelina Anosy fa misy olona mivarotra sy mifoka rongony eny amin’ny faritra Ankadievo/Ankeniheny /Alasora iny. Nidina teny an-toerana avy hatrany ireo tomponandraikitra nijery ny zava-nisy ka tovolahy iray 29 taona no tra-tehaka teo am-pifohana rongony. Mbola nahatrarana taratasy fifohana rongony maromaro sy rongony rarany teny aminy nandritra ny fanamborana azy. Fantatra araka izany fa vidiany amin’ny olona mandalo eny Manjakaray 2200Ar ny fonosana. Mahalany fonosana iray isan’andro kosa izy, hoy ny fampitam-baovao. Fantatra fa natolotra ny Fampanoavana omaly ity lehilahy ity ary heverina fa nadoboka am-ponja avy hatrany. Ny polisim-pirenena dia tsy mitsahatra miantso fifanampiana amin’ny olon-drehetra amin’ny fanomezana vaovao, ahafahana misoroka sy misambotra ireo mpanao ratsy.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici