- Publicité -
vendredi, juillet 11, 2025
AccueilFaits-DiversAlasora : Lehilahy tratra niaraka tamin’ny basy vita gasy, saika hanafika fivarotana

Alasora : Lehilahy tratra niaraka tamin’ny basy vita gasy, saika hanafika fivarotana

Ny alin’ny 26 febroary 2018 , dia lehilahy 35 taona no voasambotry ny Polisy ao amin’ny kaomisaria Alasora, teny Ambohimanandraisoa-Alasora ; izay nahatrarana basy vita gasy sy bala efatra. Nisy lehilahy iray no tsikaritry ny olona nihaodihaody teo akaikin- trano fivarotana zava-pisotro iray teny an-toerana. Nahita izany ilay tompon’ny tsena, dia nanontany ity lehilahy ity tamin’ny 8 ora sy sasany. Nilaza anefa ity farany, fa tsy olon-dratsy izy fa miandry olona fotsiny. Tamin’ny 09 ora alina anefa, nisy nitoraka tavoahangin-dabiera ny tranon’ilay mpivarotra. Nivoaka nijery izany ilay vehivavy tompon-trano. Vao namoha varavarana anefa izy, dia voambana basy niaraka tamin’ny zanany lahy kely. Nandritra izany, nisy vehivavy iray hafa nandalo ka nahatsikaritra ny fihetsik’ity olon-dratsy.  Nosamborin’ity farany avy hatrany io ary notereny niditra tao an-trano . Nisy lehilahy iray ihany koa tonga hody tao amin’io trano. Nambanany basy izay efa voafahana ihany koa io raha vao niditra. Somary tsy nihidy tsara anefa ny varavarana ka nisy olon-kafa teny ivelany nahatsikaritra izany rehetra izany ka namory fokonolona no sady niantso mpitandro filaminana. Tafavory vetivety ireo fokonolona ka raha nahatsikaritra izany ilay mpanafika, dia nitsoaka tany amin’ny varavarana hafa ary niafina tao anaty tatatra tsy lavitra teny .Tsy hita nandritra ny fotoana fohy ralehilahy kinanjo nisy nahatsikaritra ihany ary noraisim-potsiny. Efa saika tratran’ny fitsaram-bahoaka moa izy raha tsy tonga nalaky ny Polisy. Nafeniny tsy lavitra azy teo ilay basy PA vita gasy nampiasainy izay mbola niaraka tamin’ny bala 4.

T.M.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici