Mihorohoro indray ankehitriny ny mponina eny Mahatsinjo Alasora vokatry ny feo mandeha fa hanafika eny ny dahalo. Araka ny voalazan’ny mponina dia trakta no naparitak’ireo dahalo ka natsangana avy hatrany ny andrimasom-pokonolona. Miantso sahady ny fandraisan’ny mpitandro ny filaminana eny an-toerana andraikitra, araka izany, ny mponina.
B.V