Habibiana tsy roa aman-tany no nitranga, tetsy amin’ny fokontany Mahatsinjo-Alasora. Tsy fantatra mazava izay fotoana namonoan’ny olon-dratsy ny ramatoa iray antsoina hoe M.E ,fa ny fatiny mihosin-drà kosa no hita, ny alatsinainy hariva teo, tamin’ny efatra ora. Mbola nijanona teo amin’ny tendany ny zava-maranitra namonoana azy. « Nitsatoka teo amin’ny tendany ny antsy ary tsy nesorina izany » raha araka ny fanampim-baovao avy tamin’ny zandarimaria ; izay nanokatra fanadihadiana avy hatrany momba ity raharaha vono olona ity. Nidina teny an-toerana ny dokotera nijery ifotony ny razana ary torak’izany ihany koa ny mpitandro ny filaminana. Hatreto, dia tsy mbola nisy nipika aloha ny fanadihadiana izay nataon’ny tompon’andraikitra amin’izany. Ny tsikaritra kosa, dia novonoina sanatria an’izany toa ny biby ilay olombelona. Eo amin’ny faritra mahafaty avy hatrany no natsatoka ny antsy ary ara-tsiantifika izany, dia mahatsiaro tena foana izy, mandra-pahatapitry ny rà tao anatiny. Handrandraina hatrany eto amintsika ny mba hivoaran’ny fanadihadiana avy amin’ny alàlan’ny fampiasana ny « police scientifique » ampy fitaovana. Be loatra mantsy ny fanadihadiana izay tsy tonga hatramin’ny farany, indrindra ny mahakasika ny heloka bevava, nefa izany dia fototra ijoroan’ny fanjakana tsara tantana koa. Miezaka ihany ny manao ny fanaom-bazaha ireo manam-pahaizana, saingy rehefa tena dinihina dia tsy misy ampiasana azy akory ireny fangalana dian-tànana sy marika ireny, satria tsy manana velively « base de données » mifandraika amin’izany ny fanjakana. Torak’izany koa, ny fijerena ny « ADN » dia mbola ho lavitra vao vain-dohan-draharaha eto amintsika. Vokatr’izany rehetra izany, dia miaina amin’ny fanao efa taloha be ny manam-pahaizana ka miainga amin’ny lojika sisa no hanatontosana ny fanadihadiana ary ny porofo dia miainga amin’ny fampiasan-kery matetika…
D.R