Niparitaka tamin’ny tambajotra sosialy omaly ny “alerte kidnapping”. Izany dia mahakasika ny fanjavonan’ny mpianadahy kely antsoina hoe Rasamoelina Jenny Nantenaina sy Rasamoelina Francky Nambinina, 15 taona sy 14 taona. Nomarihan-drainy fa tsy hita popoka ireo zanany roa ireo nanomboka ny asabotsy teo. Niala tao an-tranony etsy Anosizato-Atsinanana izy roa tamin’io andro io ary ny antony dia mba hitsidika ny havan’izy ireo eny Alasora. Koa satria tsy tao ireo olona izay saika novantanina dia nanapa-kevitra izy dahy kely ny hody avy hatrany. Tokony ho tamin’ny fito ora latsaka fahefany hariva izy roa no nisy nahita farany teo amin’ny sampanana mizotra any Alasora, raha araka ny fanazavana hatrany. Nanomboka teo koa ny fitaintainan’ny ray aman-dreniny satria raha nandrasana hatrany dia sady tsy tonga tany an-trano fonenany no koa tsy niantso an-telefaonina no tsy azo tamin’izany koa izy dahy kely. Dimy andro taty aoriana dia nanapa-kevitra ny fiankavian’ireo adolatsento ny nanaparitaka tamin’ny tambajotra sosialy ny sarin’izy roa ary nametraka ny laharana mety hahazoana raha toa ka misy manam-baovao momba ity raharaha ity : 0340844876-0331131278-0324234243. Hatreto dia tsy fantatra mazava ny mety ho ao ambadik’ity fanjavonan’ny ankizy tsy ampy taona roa ity. Efa nozahana avokoa ny toerana mety nitondràna ireo olona raha sanatria ka nisy nanjo azy ireo, isan’izany ny hopitaly sy ny toeran-kafa, kanefa tsy mbola nahitam-bokany. Manentana ny olom-pirenena ny fianakaviana mba hanome vaovao avy hatrany ary tsy hisalasala ny hiantso ireo laharana etsy ambony raha manam-baovao mikasika ity raharaha ity na sendra mahita azy dahy. Isan’ny manafaingana ny fitadivana mantsy ny fandraisana anjaran’ny olon-tsotra rehefa misy ny fikarohana olona toa izao.
D.R