Soa fa tonga haingana ny zandary naka ity tovolahy vao 17 taona monja ity teo am-pelatanan’ireo fokonolona nahasambotra azy, ny alakamisy 9 febroary lasa teo tokony ho tamin’ny 11 ora antoandro. Lehilahy 22 taona mpitondra taxi-moto izay niangaviany hitondra azy eny Alasora niala avy teo Anosibe-tsena no novelesin’ity tovolahy ity tamin’ny maritoa ny lohany rehefa tonga tao amin’ny fokontany antsoina hoe Mendrikolovana, kaominina Alasora. Tsy nampoizin’ity mpitondra taxi-moto ity mihitsy ny fehitsik’ity jiolahy ity, izay niseho ho toy ny mapandeha tsotra ihany raha niresaka taminy ny amin’ny lalana haleha sy ny saran-dalana. 7 000 ariary no nifanarahan’ny roa tonta. Rehefa nandalo teo amin’ny toerana mangingina anefa dia nivadika ity farany ka namely tampoka ny lohan’ilay mpitondra taxi-moto tamin’ny maritoa, izay efa nomaniny tany aminy. Nohon’ny ratra nahazo azy dia niantso vonjy ilay niharam-boina ka nanaitra ireo andrimasom-pokonolona. Raikitra ny fifanenjehana ka tsy lasa lavitra dia voasambotra ilay ratsy. Nohon’ny ratra mafy nahazo ilay mpamily kodiaran-droa dia noentina namonjy toeraém-pitsaboana haingana izy. Nampandre ny mpitandro ny filaminana avy hatrany ny lehiben’ny fokontany raha vao nahita ny zava-nitranga. Nidina teny an-toerana ny zandary ka naka ity nahavanon-doza mba hanaovana fanadihadiana. Izany no nahalalana fa saika hanendaka an’ity taxi-moto ilay jiolahy.
T.M.