Nihatra aman’aina tanteraka ny karama kely saika hamelon-tena ho an’ireto roalahy mpianaka, mpiady lava-drano teny amin’iny faritra Alasora iny. Ny alarobia tokony ho tamin’ny 10 ora maraina tany ho any, lehilahy iray 45 taona, niaraka tamin’ny zanany 18 taona no indray namoy ny ainy tao anaty lava-drano teny Mahatsinjo Alasora. Araka ny fanazavàna nentin’ireo zandary nanao ny famotorana teny an-toerana dia nahazo karama tamin’olona izy ireo, handavaka lava-drano teny amin’iny faritra iny. Noho ny maha asa tanana azy ity sy ny tsy fahampian’ny fitaovana enti-miasa dia mety maharitra andro maromaro ny fandavahana izany. Efa lasa lalindalina ihany anefa ny lava-drano nolavahan’izy mianaka, saingy mbola tsy nisy rano. Noho ny haizina nanjaka tao anaty lavaka tao, dia voatery izy, araka ny vaovao hatrany nampirehetra afo. Ny ampitso, raha handeha hanohy ny asa ireto roalahy ireto no nitranga ny loza. Ilay zanany no nandeha voalohany tao anatin’ilay lavaka. Tsy ampy minitra vitsy tao anatin’izany anefa dia niantso vonjy tamin-drainy fa sempotra tsy afaka miaina. Ity farany niezaka namonjy an-janany no voasintona ihany koa tao anatin’ilay lavaka namoa-doza. Indrisy fa niara-sempotra sy maty tao ireto mpianaka ireto. Raha ny tombatombana dia ny afo nampirehetin’izy ireo ny omalin’iny no namela entona nahafaty tao anatin’ilay lavaka. Ity farany izay, tsy azon’ny rivotra rahateo noho ny halaliny. Tombatombana izany, hoy ny fanazavana nentin’ireo mpitandro filaminana fa amin’ny toe-javatra toy itony, indrindra fa nisy ain’olona nafoy dia maintsy misokatra ny fanadihadiana ataon’izy ireo. Nalefa notsirihana teny amin’ny tobim-pahasalamana ny razan’izy mianaka ireto ary efa nomena ny fianakaviana.
m.L