- Publicité SW45 -
dimanche, décembre 22, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAlasora : Mpisipa niady, niafara tamin’ny fanolanana faobe

Alasora : Mpisipa niady, niafara tamin’ny fanolanana faobe

Tsy vitan’ny hoe nifandimbiasan’izy dimy lahy nanaovana ny filan-dratsiny fotsiny ity tovovavy fa mbola naharahana daroka sy vono ary fandratrana tamin’ny alalan’ny vy ihany.

Herinandro vitsy taty aoriana, voasambotra ny sasany tamin’ireo nahavanon-doza.

Ny sabotsy teo no natolotra teny anivon’ny Fampanoavana ireo efa-dahy tompon’antoka tamin’ny fanolanana sy fandratrana tovovavy iray teny amin’iny faritra Miadana, ao anatin’ny kaominina Alasora iny, taorian’ny fisamboran’ny zandary azy ireo. Mazava ho azy, manoloana ny halehiben’ny asa ratsy vitan’ireto farany dia tsy nisalasalana ny nandefasan’ny mpitsara mpanao famotorana azy ireo, namantana avy hatrany eny amin’ny fonjaben’i Tsiafahy.

Raha tsihiavina ny zava-niseho, araka ny fampitam-baovao nomen’ny zandary, ny alin’ny alakamisy 28 novambra lasa teo, teo Miadana Alasora, dia nitrangan’ny vono olona niharo fanolanana. Tovovavy iray no lasibatra tamin’io fotoana io, izay nitambaran’ny andian-dehilahy maromaro. Raha ny fampahafantarana hatrany dia nisy fifamaliana teo amin’ity tovovavy ity sy ny sipany talohan’izay fotoana izay. Tezitra mafy tamin’izay fotoana izay ingahirainy ka niantso ny namany, hiaraka … hanolana ity tovovavy sakazainy. Efa-dahy ireto tonga ary avy hatrany tokoa dia nantanteraka.  « Tsy vitan’ny naolan’izy ireo anefa fa mbola narahina daroka sy tsindrona vy ihany koa teo amin’ny faritry ny lohany izay niteraka tsy fahatsiarovan-tena », hoy ny vaovao.

Tonga teny an-tsofin’ny zandary ny zava-nitranga ary nisokatra tamin’izay fotoana izay ny fikarohana ireo nahavanon-doza. Ny herinandro teo ny sasany tamin’ireo mpanolana no voasambotra ary nanaraka ho azy taty aoriana ny ambiny. Ilay tena tompon’ny hevitra anefa, ilay lehilahy sakaizan-dravehivavy, tsy mbola isan’ireo voasambotra ary hanaovana hazalambo sy hifampikarohana hatramin’izao.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici