- Publicité SW45 -
dimanche, juin 23, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAlasora : Mpitatitra biriky tratra namaky trano

Alasora : Mpitatitra biriky tratra namaky trano

Omaly alahady, raha lasa nandeha nivavaka ny tompon’ny trano iray teny amin’ny faritr’Alasora, novakian’ny sasany ny tranony. Ny loharanom-baovao no nahafantarana fa nisy nahita ny nanaovan-dry zalahy izany. Roa lahy izy ireo ary voalaza fa eo amin’ny 17 taona eo, izany hoe tsy mbola ampy taona. Sendra ny tsy nampoiziny ry zalahy, ka tratra teo am-panaovana ny halatra. Efa nahorony avokoa ny entana tiany toy ny ordinatera fitondra, firavaka volamena izay hitany ary fankan-tsary sy fitafiana maro. Fantatra, hoy hatrany ny vaovao, fa mpitaona biriky eny amin’iny faritra iny ihany izy ireo. Tezitra vokatry ny nataon-dry zareo ny olona, ka saika raikitra ny fitsaram-bahoaka. Efa nahafantatra anefa ny mpitandro filaminana ka dia nilaminana ihany ny raharaha. Maro tokoa ny manararaotra ny andro alahady hanendahana sy handrobana amin’ny faritra vitsivitsy eto an-drenivohitra. Vao tamin’ny herinandro lasa no tratra ny andian-jiolahy mpandenka olona avy nivavaka teny amin’ny faritr’Itaosy. Misy koa ireo mahafantatra ny eo an-tanàna ka manararaotra ny fandehanan’ny sasany mivavaka. Ny làlana somary mangina no famelezan’ireo olon-dratsy ka entina ny firavaka eny hatramin’ny baiboly.

r.s.

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser