- Publicité -
jeudi, juillet 10, 2025
AccueilFaits-DiversAlasora : Mpivarotra novonoin’ny mpanjifa nitsiriritra ny volany

Alasora : Mpivarotra novonoin’ny mpanjifa nitsiriritra ny volany

Tsy naharitra ny nahita ireo volabe nokirakirain’ity mpivarotra ireto mpivady ka nanitatra ny saina, hanomana tetika ratsy : ny famonoana ilay mpivarotra.

Marihina fa mpanjifa tao amin’ity tranombarotra ity ihany ireto lehilahy sy vehivavy ireto, izay nosamborin’ny pôlisy, teny amin’iny faritra Alasora iny ny alahady lasa teo, rehefa voarohirohy tamin’ny resaka fikasàna hamono olona sy handroba fananan’olona. Araka ny fampitam-baovao azo avy amin’ny pôlisim-pirenena dia nisy antso azon’ireo pôlisy avy etsy amin’ny kaomisarian’Alasora, mahakasika ny fisian’ny tranga fikasàna hamono olona teo amin’ny toeram-pivarotana iray teny an-toerana, tokony ho tamin’ny folo ora alina tany ho any. Tonga avy hatrany teny an-toerana ireto mpitandro filaminana ka olona roa mamono olona iray, mpivarotra tao amin’ilay tsena no hita. Raha ny voalaza dia efa naratra mafy nihosin-drà ity farany, ary raha nisy kely foana na hoe taraiky ny fahatongavan’ireo mpitandro filaminana dia efa ny ainy mihitsy no nanararaka. Tetsy ankilan’izay kosa dia olona roa no voasambotra teo, izay nitazona tapak’antsy, izay efa nihosin-drà ihany koa. Nosamborina avy hatrany aloha ireto olona roa ireto ary nentina nihazo ny biraon’ny kaomisaria atao famotorana. Ilay naratra kosa, tetsy andaniny, nentina novonjena avy hatrany tany amin’ny tobim-pahasalamana ary efa nahazo ny fitsaboana sahaza azy. Tamin’ny fanadihadiana ireo nahavanon-doza moa no nahafantarana fa nampitsiry hevi-dratsy tao amin’izy ireo, ary nahatonga ilay fikasàna hamono ity tompon’ny fivarotana ity ny fikirakirain’izany olona izany volabe tao an-tsenany. Marihina, hoy hatrany ny fanomezam-baovao avy amin’ny pôlisy, fa efa mpanjifa matetika teo amin’io tsena io ireto olona namono ireto. Atolotra ny fitsaràna moa ireo nahavanon-doza ireto aorian’ny fakàna am-bavany azy ireo.

Ilaina tokoa ny fitandremana amin’izao, indrindra fa amin’izao adim-piainana mianjady amin’ny rehetra izao, satria ny fahitàna ny vola eny am-pelatananao fotsiny dia mety ho efa mampanita-kevitra ny olona mahita izany, eny fa na dia ireo azo heverina fa olona akaiky aza.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici