- Publicité SW45 -
mercredi, juin 26, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAlasora : Nahazo « commissariat » vaovao

Alasora : Nahazo « commissariat » vaovao

Nahazo commissariat vaovao ny eny amin’ny kaominina Alasora. Omaly no notokanana tamin’ny fomba ofisialy izany. Io dia vokatry ny fiaraha-miasan’ny kaominina sy ny ministeran’ny filaminana anatiny. Mitentina 45 tapitrisa ny tetibidin’ity birao vaovao ity ary manara-penitra tokoa,satria ahitana birao maromaro sy trano fidiovana. Polisy 25 kosa no hiasa ao hampihodina ity “commissariat” ity, ary mbola hitombo izany afaka fotoana fohy. Tafiditra indrindra amin’ny ady amin’ny asan-jiolahy moa izao fanatonan’ny polisim-pirenena ny vahoaka izao. Ny polisim-pirenena kosa dia manentana hatrany ny vahoaka mba tsy hisalasala hanatona azy ireo na hiantso avy hatrany raha misy zavatra mampiahiahy.

A.R.

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser