- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversAlasora : Nitifitra ny jiolahy nandritra ny fanafihana

Alasora : Nitifitra ny jiolahy nandritra ny fanafihana

Lasa ny vola mitentina telo tapitrisa ariary mahery . Nobatain’ireo jiolahy koa ny entam-barotra maro isan-karazany, ny finday rehetra izay fampiasan’ny tompon-trano. Talohan’izany rehetra izany, dia nanao tifi-danitra im-betsaka izy ireo mba hentina hampihorohoroana ny tanàna. Tao Ampahibato, tanàna iray ao Alasora no nitrangan’izany ny alin’ny alatsinainy hifoha talata teo, tokony ho tamin’ny 11 ora sy sasany. Manodidina ny folo ny hitan’ny olona ary ny voatafika kosa, dia nanamarina tamin’ny mpitandro ny filaminana izay misahana ny fanadihadiana, fa basy  telo no nampiasain’ireo mpandroba ireo. Basy vita gasy no fahitan’ireo olona azy. Toeram-pivarotana izay sady trano fonenan’ny tompon-trano no voaroba. Tsy nisy nanohitra ireo olon-dratsy, satria sady maro no misy basy. Dia narahina tamin’izay sitrapony teo fotsiny izany, nandritra ny fanafihana. Ny teo amin’ny manodidina rahateo tsy nisy sahy nihetsika raha vao naheno ny feom-basy niverimberina. Raha ny fihevitry ny olona, dia jiolahy iray tarika amin’ireo mpandroba izay nisesisesy teny Ambohimangakely sy Ambohimanambola, tamin’ny herinandro lasa teo ity andian-jiolahy ity. Ny antony dia satria nitovy tanteraka ny fomba fanafihan’ireo, dia ny fampihorohoroana amin’ny tifi-basy aloha izay vao manafika. Jerena fotsiny izany sisa ny fanafihana izay mitranga, satria tsy mitovy ny hery. Mila miparitaka ny mpitandro ny filaminana ary manao fisafoana tsy an-kijanona any amin’ireo tanàna izay lasa iverimberenan’ny jiolahy. Etsy andaniny kosa, ny olona dia mila maka ny laharana hahazoana azy ireo mba hamantarany ny misy ny jiolahy. Misy andraikitra hifampizarana ihany raha tena tiana tsy hanjaka ireo olon-dratsy.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici