Folo lahy no indray nifarimbona tamin’ny fanatontosana ity heloka bevava ity. Izany dia niseho tao Ampanarivoana, ao amin’ny kaominina Alasora. Misy mpiambina ilay tokantrano,saingy nokapain’ireo tamin’ny vy izany talohan’ny namatorana azy. Vita izay dia novakiana ny varavarana ary niditra tao an-trano. Ny alarobia tokony ho tamin’ny iray ora maraina no nisian’izany asaratsy izany. Nofatorana izay hita rehetra, dia izy mivady tompon-trano izany. Ny tena nampalahelo dia ny nanolanan’ireo olon-dratsy ny zazavavy 12 taona, zanak’izy mivady. Izany rehetra izany dia teo imason’ireo farany. Vita izany filan-dratsy izany dia nobataina amin’izay ny entana rehetra izay azo nobataina sy nanintona azy ireo. Isan’izany: ny fahitalavitra “écran plat”, ny solosaina “portable”, ny fitaovana fakana sarimihetsika, ny firavaka volamena 20 grama; izay mitentina 15 tapitrisa ariary raha kely indrindra. Satria tsy afa-nanohitra mihitsy nandritry ny fanafihana, rehefa lasa ireo jiolahy vao afaka niantso vonjy sy nampandre ny fokonolona izy mivady. Ny zandary no nahazo ny fampandrenesana kanefa nisy polisy teo amin’ny 50 metatra miala ny trano, raha araka ny fanamarihana azo avy tamin’ny mpitandro ny filaminana. Nisy fotoana very arak’izany tao anatin’izay rehetra izay ka nampanahirana ny fanarahan-dia ireo olon-dratsy izay tsy nisy hita aloha hatramin’ny omaly. Ny azo natao dia ny fitaterana teny amin’ny Hjra ireo naratra, isan’izany ilay mpiambina. Ankoatr’izay dia nanaovana fizahana ara-pahasalamana avy hatrany ilay zazavavy izay nentina teny amin’ny hopitaly ihany koa. Tao anatin’ny fotoana fohy izany dia potika ny fiainain’ilay fianakaviana kely noho ny hetraketraky ny jiolahy izay mendrika ny sazy faran’izay mafy. Eo ihany ny fandrobana ny entana, fa ny nahazo ilay zazavavikely no tena maha-ontsa. Toe-javatra toy izany no mitarika ny olona ho amin’ny valifaty, mba tsy hilazana ny hoe fitsaram-bahoaka. Handrasana ny fanadihadiana faran’izay matihanina avy amin’ny mpitandro ny filaminana, satria tsy rariny loatra ny nitranga ary heverina fa mbola mahavita ratsy kokoa noho izao ireo jiolahy ireo raha toa ka mbola miriaria ela any.
D.R