Efa tsy mifaditrovana tanteraka ! Lehilahy miisa telo no voatery nosamborin’ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Alasora, ny herinandro lasa teo, noho ny resaka fanolanana zazavavy kely miisa telo. Nampivarahontsana ny zava-niseho satria dia potika tanteraka ny lavam-pitombenan’izy ireo nanaovan’ireo tsy valahara azy.
Tao amin’ny toerana antsoina Mendrikolovana, kaominina Alasora, no nisehon’ity tranga mahatsiravina ity. Araka ny fantatra dia notambazambatazan’ireto telolahy izy telo vavy ireto, hiaraka amin’izy ireo. Telovavy izay marihina fa samy mbola zaza avokoa : manodidina ny enin-taona sy fito taona eo izy ireo, hoy ny zandary. Nony tany amin’ny toerana mangingina dia nosokirin’ireo telolahy ny lavaka fitombenany ary ny tanany aloha no natsofok’izy ireo tany, izay vao ny mahalehilahy azy. Nony vita izay nataon’izy ireo dia notambazambatazan’izy ireo vola ariary zato ireto ankizy, tsy hilaza na amin’iza na amin’iza ny zavatra niseho. Tsy niteny tokoa ireto zaza fa ny anadahin’ireto farany no nilaza tamin’ireo ray aman-dreniny. Nampilaza ny zandary avy hatrany ireto farany ary niditra an-tsehatra ny mpitandro filaminana. Tsy nampanano sarotra ihany koa no nikaroka ireto nahavanon-doza noho izy ireo fantatr’ireo lasibatra tsara. Ny voalohan’ny herinandro teo no natolotra ny Fampanoavana ireto telolahy mpanolan-jaza ireto ary efa nadoboka am-ponja miandry ny fotoam-pitsaràna azy ireo. Etsy andanin’izay, nanentana ny rehetra ihany koa ny zandary mba ho mailo hatrany ary tsy hitsahatra hanara-maso ny zaza, satria efa maro no ratsy hoy izy ireo.
m.L



