- Publicité -
mardi, juin 17, 2025
AccueilFaits-DiversAlasora : Olona hita faty, efa karandoha sy taolana sisa tavela

Alasora : Olona hita faty, efa karandoha sy taolana sisa tavela

Efa tsy nisy nahalalana ity olona hita faty tao Alasora ity intsony. Mpiandry omby sendra nandalo, no nahita ity zavatra nitangoronan’ny lalitra tao an-tampon-tendrombohitra iray, antsoina hoe Ambohitrandriananahary, ny sabotsy teo. Rehefa nojerena akaiky ity zavatra ity, dia fantatra fa razana. Nantsoina avy hatrany ny fokonolona ary tonga teny an-toerana ihany ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny avy nizaha ny zava-misy. Tsy nisy intsony ny hamantarana azy ary tsy fantatra na lehilahy izy na vehivavy. Efa simba tanteraka mantsy ny razana : karandoha sy taolana isan-karazany sisa no hita. Voalazan’ireo fokonolona fa, ambonin’ny toetr’andro dia ankevitry ny nohanin’ny alika ihany koa ny nofony. T-shirt fotsy sy manga ihany koa no mbola hita rovidrovitra nandrakotra ireto taolana. Araka ny fizahana nataon’ny mpitsabo, dia ankevitry ny efa tany amin’ny iray volana tany ho tany ity olona ity no namoy ny ainy, kanefa tsy hita raha tsy io andron’ny sabotsy io. Mbola mistery hatreto ny nahafaty ity olona ity. Ireo mponina teny amin’ny manodidina ihany koa milaza ho tsy misy havana very. Nalevina omaly alahady teny an-toerana ihany ity olona hita faty ity, raha ny loharanom-baovao hatrany.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser