Tsy azo ivezivezena amin’ny alina, manomboka amin’ny sivy ora. Mikatona ny bar sy ny karaoké ary izay mety ho toerana fandraisana lanonana manomboka amin’io ora voatondro io hatrany. Ny olona miasa amin’ny alina dia mitondra karapanondrom-pirenena sy kara-manga. Izay raha fintinina ny andininy efatra tamin’ny didim-pitondrana navoakan’ny fiadidiana ny kaominin’Alasora. Didim-pitondrana naparitaka tamin’ny manam-pahefana maro mba ho fampahafantarana sy fampiharana avy hatrany. Izany fanapahan-kevitra izany dia noraisin’ny kaominina taorian’ny fisian’ny fanafihana mitam-piadiana tetsy Ankadindratombo ny harivan’ny alarobia teo. Ny Shop Liantsoa no voatafika ary nisy mpamily fiarakaretsaka voatifitra ka namoy ny ainy rehefa nitifitra ny jiolahy. Omaly dia fantatra fa rangahy 43 taona mitondra ny anarana Razanamahefa Frédéric ary monina eny Ambohipo ilay namoy ny ainy. Namela mananontena sy zanaka telo itompokolahy. Nitondra mpanjifa ho ao amin’ny Shop Liantsoa tamin’ny taxi nentiny izy. Nisy zavatra nahiana ho hitany ka naha-mailo azy ka narahiny akaiky ny olona nentiny, mety mba ho fiarovana io farany. Indrisy anefa fa nitontona tamin’ny fotoanan’ny fanafihana izany rehetra izany ary dia maty voatifitra teo amin’ny lohany ilay rangahy tsy manan-tsiny. Toerana be olona mandrakariva ary feno fivarotana, misy tsena aza, Ankadindratombo. Mbola tao anaty fotoana fivezivezen’ny olona no nitranga ilay fanafihana niampy vonoan’olona. Mandeha ny fikarohana ireo mpamono olona sy mpandroba ary tena hatao savahao satria samy mihetsika na ny zandary na ny polisy ao anatin’ity raharaha ity.
D.R