Loza mahatsiravina no nitranga tetsy Alasora, ny harivan’ny alatsinainy teo. Mpiasa roa lahy no namoy ny ainy, rehefa nihotsahan’ny tany tao amin’ny toerana antsoina hoe Mandrangobato, fokontany Ambohitromby, kaominina Alasora.
Tokony ho tamin’ny fito ora hariva tany ho any no naheno feon-javatra nidoboka mafy dia mafy ireo mponina tao amin’io toerana io ary niolomay nandeha nijery ny zava-nisy. Rindrin-tany lehibe iray no nihotsaka, teo an-toerana. Niahiahy avy hatrany ireo fokonolona ho mbola nisy mpiasa tavela, nihotsahan’ny tany tamin’izany, satria voalaza fa mbola nahitàna kapa, fanalahidy ary angahy anankiroa teo an-toerana. Nampandrenesina haingana moa ny tompon’andraikitra tamin’izany ary nidina teny an-toerana ihany koa ny zandary. Tamin’io fotoana io ihany dia natao ny fikarohana ireo olona izay mety ho tavela tao ambanin’io ranon-tany io, izay nifandrimbonan’ireo fokonolona teny an-toerana. Adiny roa taty aoriana, voamarina tokoa fa nisy olona niharan-doza tao. Vatana mangatsiaka anankiroa no voatery nosokirina tao ambanin’io tany nihotsaka io.
Raha ny fanazavana azo dia roa lahy niasa teo amin’io tany io ireto namoy ny ainy ireto. Mpandravona tany ny asan’izy ireo, ary tamin’ny fotoana nitrangan’ny loza dia mbola niasa nanao izany hatrany. 26 taona ny iray, ary ankizilahy vao 16 taona kosa ny iray, izay samy monina eny amin’iny faritra Ambohimanga Rova iny. Hiasa, handravona ity tany ity no nahatongavan’izy roa lahy tao amin’io toerana io, kanjo dia izao niafara hatramin’ny famoizany ny ainy izao. Taorian’ny fitsirihana nataon’ireo mpitsabo teny an-toerana moa dia efa nalefa eny amin’ny tranom-patin’ny hôpitaly eny Ampefiloha ny razana. Koa satria nisy ny aina nafoy, dia tsy maintsy nanokatra ny fanadihadiana sy ny famotorana ny teo anivon’ny zana-tobim-paritry ny zandary miandraikitra iny faritra iny. Taorian’ny loza kosa dia nohamafisina ny fiambenana ary nentanina ireo fokonolona amin’ny manodidina mba samy hitandrina, tsy hisian’ny loza tahaka izao intsony.
m.L