- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversAlasora sy Isotry : Jiolahy fito maty voatifitry ny polisy

Alasora sy Isotry : Jiolahy fito maty voatifitry ny polisy

Nandriaka ny rà. Tsy nitsitsy ny polisy. Roa no lavo tetsy Ambodin’Isotry. « Tsy nanaiky nosavaina sy hanamarinana ny momba azy ireo moa ny iray tamin’ireto olon-dratsy ireto sady namoaka sabatra avy hatrany. Ny iray kosa vaky nandositra. Voatery nampiasa hery ny polisy ka lavo izy roalahy. Tsy nahitana kara-panondro teny amin’izy ireo fa finday halatra miisa roa kosa no sarona » raha araka ny fampitam-baovaon’ny polisy. Tetsy Ankadievo indray dia jiolahy dimy hafa koa maty voatifitra. « Vaovao mari-pototra no voarain’ny SCUSI fa misy jiolahy miisa 07 izay mironga basy sy antsy manomana fanafihana eny Ankadievo, Alasora. Nidina ifotony teny an-toerana ny USI ny alakamisy 29 aogositra tokony tamin’ny 11 ora alina. Vao nahita ireo Polisy ireto jiolahy ireto dia nitifitra avy hatrany . Nisy ny fifanjevoana ka lavo tamin’izany izy dimilahy . Mbola karohina kosa ireo jiolahy miisa roa . Basy iray ary antsy iray no hita teny amin’izy ireo » raha araka ny polisy hatrany momba io tranga io. Mafana arak’izany ny ady eo amin’ny roa tonta ankehitriny ary mandriaka ny rà.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici