
Tapaka “frein” dia nivoaka ny làlana ary nivadika ilay taxi-be mpampitohy an’Ambohijatovo amin’Alasora. Tetsy Ambodivondava-Alasora no nitranga ity lozam-pifamoivoizana ity, ny asabotsy teo manodidina ny tamin’ny 12 ora antoandro. Feno mpandeha tanteraka tao anatiny ary samy naratra avokoa ny olona 12 tamin’izany. Nisy vehivavy iray nitondra vohoka tena voa mafy. Voatery nentina haingana teny amin’ny toeram-pitsaboana mba ho famonjena ny ainy, saingy na teo aza izany rehetra izany dia fantatra fa nodimandry ihany izy sy ny zaza tao an-kibony. Ilay saofera kosa dia nisafidy ny nitsoaka teo an-toerana ary namonjy avy hatrany ny biraon’ny mpitandro ny filaminana taorian’ny nitrangan’ny loza. Ankoatra ny tsy fitandremana noho ny hamehana mba hahavita fihodinana maromaro, dia fahapatahana hisatra hatrany no mahatonga ny lozam-pifamoivoizan’ny taxi-be. Efa antitra ireo fiara no sady tsy natokana hanaovana fiara fitaterana rahateo ny nanamboarana azy tany am-boalohany. Teto amintsika ihany no nisy nanan-kevitra ny hamadika azy ireny ho taxi-be avy amin’ny fanasiana fitaratra sy seza tao anatiny. Dia izao ny vokany, sady mijaly ny mpandeha noho ny hakelin’ny toerana ao anatiny. Ankoatr’izay ihany koa, efa fiara antitra avokoa ny maro amin’ireo fiara fitaterana, saingy noho ny herin’ny kolikoly dia mahazo fahafahana miasa hatrany izy ireo. Dia tsy misy afa-tsy ny mpanjifa no mitanty ny vokatr’izany tsy fahatomombanana rehetra izany. Tsy misy afa-tsy ny ny fanokafana fanadihadiana sy fitsaboana ny marary no mitranga rehefa misy ny toa izao. Ny vahaolana maharitra kosa dia mbola any an-kibon’ny omby hatrany…
D.R