Nisamaritaka ireo fokonolona tany amin’iny faritra Alasora iny, ny zoma hifoha sabotsy teo, tokony ho tamin’ny iray ora teo ho eo. Nirefodrefotra ny basy. Samy nilomay nanamafy ny hidim-baravaravany avokoa ireo fokonolona. Manafika ny jiolahy ! Raha ny fitantaran’ireo mponina, dia tsy fantatra mazava ny isan’izy ireo, fa toa mirodorodo be izy ireo sady manapoaka ny basy teny an-tanany hatrany. Araka fanazavana nomen’ny mpitandro ny filaminana, nisy dimy izy ireo, ary tsy misaron-tava, saingy tsy fantatr’ireo voatafika ny endriny. Na dia nanamafy ny hidin-tranony tahak’izany aza anefa ireo olona, mbola hitan’ireo olon-dratsy ny fomba namahana izany. Trano roa no indray lasibatr’ireto andian-jiolahy ireo. Ny iray mpivarotra teo an-tanàna, ny faharoa kosa dia mpiompy. Nosokirin’ireo jiolahy tamin’ny baramina ny varavarana, araka ny fantatra hatrany. Avy nanao amboletra ry zalahy, nitaky ny vola sy nandraoka izay zakany tao amin’ireo trano norobainy ireo. Kojakojan-tokantrano sy fitaovana maromaro no lasan’ireo jiolahy, niaraka tamin’ny vola roa hetsy ariary teo ho eo. Vao nahavita ny asa ratsiny tamin’ireo trano roa tandrify azy anefa ireto olon-dratsy ireto, dia vaky nandositra no sady nanapoaka basy hatrany. Na izany aza anefa, tsy nandratra na namono olona ireo bala maro nisidina tetsy sy teroa, teny an-toerana. Tonga teny an-toerana avy hatrany ny mpitandro ny filaminana, saingy efa nadio ny rano nitan’ireo jiolahy. Efa mandeha ny famotorana sy ny fikarohana ireto olon-dratsy ireto, raha ny fanazavana azo hatrany.
m.L