- Publicité SW45 -
dimanche, septembre 8, 2024
AccueilFaits-DiversAlasora : Tovolahy hita faty, ahiana ho nisy nanolana

Alasora : Tovolahy hita faty, ahiana ho nisy nanolana

« Nisy ratra teo amin’ny tanany, ary nivoaka rà ny fitombenany … » Omaly, hatairana ny an’ireo mponina teo amin’ny fokontanin’Ampahibato, kaominina Alasora, raha nahita ity tovolahy, sahabo ho 25 taona any ho any, nitsirara teo Ankadinitavimena, efa tsy nisy aina intsony. Nampandrenesina avy hatrany ny tompon’andraikitra rehetra teny an-toerana. Nidina nijery ifotony ny zava-nisy ny tompon’andraikitry ny tanana, niaraka tamin’ny mpitandro filaminana sy ny mpitsabo. Tamin’ny fitsirihana nataon’ny mpitsabo, hoy ny fampitam-baovaon’ny kaominina Alasora no nahitàna io ratra teo amin’ny tanany sy ny rà tao amin’ny fitombenany io. Azo heverina, hoy hatrany ny vaovao fa mety ho niharan’ny herisetra ara-nofo ity farany ny alina teo, ary izao niafara tamin’ny fahafatesany izao. « Hadiva haraina teo no nialàny aina » raha ny fampitam-baovao hatrany. Marihana fa mbola niakanjo tsara ity tovolahy hita faty ity tamin’ny fotoana nahitàna azy. Tsy mponina teny amin’ny manodidina ihany koa raha ny angom-baovao azo satria tsy misy mahafantatra azy teny an-toerana. Efa naterina tany amin’ny tranom-patin’ny HJRA moa ny razana, araka ny fampitam-baovao azo, miandry izay olona mahafantatra azy na ny havany. Etsy andanin’izay, nanokatra fanadihadiana kosa ireo mpitandro filaminana.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici