- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025
AccueilFaits-DiversAlasora : Trakta mampihorohoro

Alasora : Trakta mampihorohoro

Mikorontana ny sain’ny olona noho ny fisian’ny trakta sy afisy miparitaka sy misy mametaka amin’ny rindrina eo anivon’ny fokontany roa ao Alasora, dia Mandikanamana sy Ankazobe izany. Nisy mihitsy ny olona sasany tsy sahy natory tao an-tranony intsony rehefa alina fa nifindra monina. Milaza ny hanafika mantsy ireo jiolahy ary mandrahona fa hamono mihitsy. Toe-javatra efa matetika mitranga isan-taona ihany izany eny amin’ny toerana iny. Saingy rehefa tena nisy namoy ainy vokatr’izany dia noraisin’ny olona ho ambana avy hatrany, raha araka ny vaovao teny an-toerana hatrany. Toa mahavarina ny maro ihany ny hoe hanafika dia mampilaza mialoha. Noho izany efa nitranga anefa, teny amin’ny toerana mitovy ihany, dia mailo ny olona ary samy mandray izay fepetra tandrify azy, indrindra amin’ny alina. Maro ny manam-pahefana any amin’iny toerana iny ary izay sisa no mba isan’ny toky kely ananàn’ny olona hoe mba hivoaka ny mpiambina azy ireo, izay matetika mpitandro ny filaminana, rehefa misy ny fanafihana…

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser