- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversAlasora : Tranona Manamboninahitra novakian’ny jiolahy

Alasora : Tranona Manamboninahitra novakian’ny jiolahy

Tsy mifidy asiana tokoa ny olon-dratsy amin’izao. Tranona manamboninahitra iray, no lasibatry ny jiolahy mpamaky trano teny amin’iny faritra Alasora iny. Very tamin’izany ny entana maromaro lafovidy, niampy vola teo amin’ny roa alina sy iray hetsy ariary teo ho eo. Toy ny olom-pirenena rehetra lasibatry ny olon-dratsy dia tonga nametraka fitoriana teny anivon’ny zandary ity manamboninahitra ity. Nandeha avy hatrany ny fanadihadiana ary nampiasana alika mpitsongo dia mihitsy moa izany, araka ny fanazavàna nomen’ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny zandary. Olona maromaro no voatery nohenoina tamin’io fotoana teny amin’ny biraon’ny zandary teny Alasora. Taorian’ny vokatra azo tamin’ny alika mpitsongo dia, dia nisy olona telo hafa indray nosamborina ny faramparan’ny volana martsa lasa teo. Niakatra dimy izany rehefa nizotra niandalana ny famotorana araka ny fanazavàna azo hatrany. Marihana fa na dia manamboninahitra aza no lasibatra tamin’ity raharaha ity dia nambaran’ireo tompon’andraikitra fa nandeha tanteraka tao anatin’ny fanarahana ny lalàna ny fanaovana fanadihadiana sy ny fikarohana ireo olon-dratsy nahavita izany heloka izany. Ireto farany rahateo dia efa natolotra ny Fampanoavana taorian’ny famotorana, ary samy nampidirina am-ponja vonjimaika eny Antanimora avokoa, raha ny vaovao azo hatrany.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici