
Hatramin’ny omaly izay nanoratana, dia mbola tsy hita i Jenny sy Franky, mpianadahy kely izay tsy fantatra ny tena nahazo azy ireo na fakàna an-keriny na antony hafa. Tsy hita hatramin’ny asabotsy lasa teo izy dahy raha hiverenana kely. Nandeha hamangy ny havany teny Alasora, raha niala tao an-tranony tao Anosizato-Atsinanana. Ny hariva tamin’ny fito latsaka fahefany, ny asabotsy ihany io, no nisy nahita farany dia tsy hita popoka intsony. Mbola mitombina arak’izany ny fangatahan’ny ray aman-dreniny, ny mba hanampiana azy ireo avy amin’ny alàlan’ny fampitam-baovao tsy misy arakaraka, amin’ny laharana 0340844876-0331131278-0324234243. Nampanantena valisoa ihany koa izy ireo ho an’ny olona tsara sitra-po ; manome vaovao afaka manampy amin’ny fahitana an’i Jenny sy Franky (15 taoa sy 14 taona).
D.R