Nisesisesy mihitsy indray tato ho ato ny resaka vaky fasana sy halatra taolam-paty. Saika lasibatra avokoa ireo fasana somary manalavitra tanàna, toy ny nitranga tao amin’iny faritra Ambohitrandriana, toerana tokony ho 8 kilaometatra miala etsy Alasora, ny faran’ny herinandro teo. Tonga nampandre tao amin’ny biraon’ny zandary tany an-toerana mantsy ny tompom-pasana iray fa nisy namaky ny fasan-drazany. Rehefa nidina teny an-toerana ireto tompon’andraikitry ny filaminana, ary nijery ifotony ny zava-nisy dia fantatra fa razana dimy no voakorontana tao anatiny tao. Saika razana efa maina avokoa ireto voazimbazimba tanteraka ireto. Tamin’ny fitiliana no nahafantarana fa saika lasan’ireo olon-dratsy avokoa ny taolan-davan’ireto razana ireto. Raha ny voalaza dia mbola nisy razana roa hafa tao anatin’ity fasana ity, saingy tsy nokitihan’ireo mpamaky fasana. Amin’ny toe-javatra tahak’itony tokoa dia tsy fantatra mihitsy izay ao ambadikan’izany asa ratsy izany. Tsy mety tratra mihitsy koa ireo olon-dratsy, raha tsy hoe tratra am-bodiomby angaha izay mbola tsy nisy aloha hatreto. Matetika mantsy ireo fasana lasibatra dia lavitra tanàna ka tsy misy mahalala ny zava-nitranga raha tsy amin’ny fotoana handevenana na hoe fotoana sendra fitsidihana izany fasana izany. Toy ny niseho ihany koa tany amin’iny faritra Morarano Gara iny ny voalohandohan’ny herinandro teo. Nakorontan’ireo tsy valahara avokoa ireo razana rehetra tao am-pasana ary lasa tamin’izany ihany koa ny taolan-dava rehetra. Taolambalo izay tsy fantatra mihitsy hatreto hoe atao inona …
m.L