- Publicité SW45 -
samedi, décembre 21, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAlasora : Voasambotra ireo jiolahy nanafika « cash point », nahafaty mpitsabo iray

Alasora : Voasambotra ireo jiolahy nanafika « cash point », nahafaty mpitsabo iray

Totoafo ny fanadihadiana sy ny fikarohana ireo olon-dratsy tompon’antoka tamin’ilay fanafihana mahatsiravina, nitranga tetsy Mahitsy Alasora. Fanafihana izay niseho ny zoma alina lasa teo, ka nahafaty mpitsabo iray, miasa eo anivon’ny sampandraharahan’ny Firenena Mikambana misahana ny reny sy ny zaza,(Unicef) teny an-toerana ary nandratrana olona anankiroa hafa. Efatra andro taorian’iny tranga niseho iny tokoa mantsy dia voalaza fa voasambotra omaly, teny an-toerana ny olona efatra, izay nambaran’ny teo anivon’ny mpitandro filaminana fa isan’ireo nandray anjara tamin’ilay fanafihana.

« Taorian’ny velam-pandrika sy angom-baovao samihafa, azon’ny teo anivon’ny pôlisy moa no nahafahan’ireto farany nahazoana izao vokatra izao » hoy ny vaovao. Nambara hatrany fa ireto olona voasambotra ireto dia anisan’ny jiolahy raindahiny amin’ny resaka fanafihana mitam-piadiana. Ary tsy io teny Mahitsy Alasora io ihany no efa nampitondrain’izy ireo  faisana fa efa maro ireo lasibatra manodidina an’i By pass sy Alasora iny. Vantany vao voasambotra moa ireto farany dia natolotra avy hatrany ny pôlisy misahana ny heloka bevava etsy Anosy, izay misahana ny famotorana.  « Raha misy olona mety manan-draharaha mifandray amin’izany dia afaka manantona eny Anosy (…) Entanina hatrany ny vahoaka sy ny mponina eto amin’ny faritra Alasora raha ohatra ka manana ahiahy na olana mikasika ny tsy fandriam-pahalemana mba hanantona mivantana eny amin’ny « Commissariat » eny Alasora na hiantso ny laharana 0340751719 na 0340553108 » araka ny hita tao amin’ny pejy ofisialin’ny kaominina ambanivohitra Alasora.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici