Olon-dratsy mihitsy fito no tra-tehaky ny kaomisaria Alasora ny alakamisy teo tetsy Ankadiavo, noho ny resaka fangalarana tara na « goudron ». Raha ny fampitam-baovao avy amin’ny pôlisy dia iray tamin’ireo no zandary, iray kosa mpamerin-keloka niaraka tamin’ireo namany hafa.
Barika sivy feno « goudron » no tra-tehaka ambodiomby tany amin’ireo andian’olon-dratsy ireto tamin’io fotoana, tokony ho tamin’ny 10 ora sy sasany alina tany ho any, rehefa nidina teny an-toerana ireo pôlisy. Raha ny loharanom-baovao mantsy dia hoe nahazo antso avy tamin’ny mponina teny an-toerana ny tao amin’ny kaomisaria fa hoe misy andian’olona mampiahiahy sy mety ho mangalatra ireo « goudron » hanaovana lalana eny amin’iny faritra Ankadiavo iny. Nandray ny andraikiny avy hatrany ireo mpitandro filaminana ka nanao fisafoana tamin’izany faritra izany. Tamin’izay indrindra no nisy andian’olona mbola am-pitanterana ireo barika feno tara. « Teo am-panatanterahana ny asa ratsiny mihitsy araka izany izy ireto no hitan’ny Polisy ka raikitra ny fifanenjehana ». Tsy lasa lavitra anefa fa vao niala metatra vitsivitsy teo dia voasambotra izy rehetra. Mbola tavela teny amin’izy ireo ihany koa ny barika sivy feno tara vao avy nangalarina. Nentina natao famotorana avy hatrany izy ireo ka tamin’izany no nahafantarana fa « efa mpameri-keloha ny 01 amin’ireto mpangalatra ireto ary zandary am-perinsa kosa ny iray » hoy ny fanazavàna azo avy amin’ny pôlisy hatrany. Efa naverina tamin’ny tompony kosa moa ireo « goudron » ireo. Atolotra ny Fampanoavana anio kosa, raha tsy misy ny fiovàna izy fitolahy mpangalatra ireto.
m.L