Nitangorona vao maraina ny olona teo amin’ny toerana antsoina hoe Voandelaka. Izany dia noho ny fahitàna zaza menavava izay mbola misy ahitra sy tadimpoitra. Nitangorona ny olona sady talanjona fa ilay zaza dia navela teo fotsiny. Ramatoa iray 50 taona izay sendra nandalo ary handeha hisasa eo amoron’io renirano io no nandray andraikitra avy hatrany raha nahita ilay zaza izay mbola niboridana sy nitomany. Saro-pady ny zaza menavava ary mety hatsiaka kely fotsiny dia hahafaty azy ary ny fahatsapàna an’izany no nampikoropaka ilay ramatoa. Norakofany lamba haingana ary nentiny tany amin’ny toeram-pitsaboana, tao amin’ny CSB2 Ambohimanambola. Rehefa nozahan’ny dokotera dia salama tsara ilay zaza saingy reraka. Nisy ny fanafody novidiana ary toraka izany koa nasaina nisotro ronono amin’ny boaty. Noraisin-dRamatoa an-tànana avokoa izany fandaniana rehetra izany mba ho fanavotàna ilay zaza tsy manan-tsiny. Vita izay fizaham-pahasalamana izay dia nentiny teny amin’ny zandary indray ilay zaza mba ho fampahafantarana ny mpitandro ny filaminana ny zava-niseho. Naneho koa izy ny fahazotoany ny hitazona io zaza io raha tsy hita ny reniny, ary indrindra koa raha omen’ny fitsaràna alàlana amin’izany ny tenany. Nisy ny fanadihadiana nosokafan’ny zandary ary ny raharaha rahateo dia tsy maintsy hampahafantarina ny fitsaràna izay handidy avy eo ny amin’ny fitazomana ilay zaza sy ny fananganana azy. Ilay zaza indary dia azon-dramatoa notazonina rehefa vita ny fizaham-pahasalamana sy ny fanadihadian’ny zandary azy. Izany dia mandra-pisian’ny didy avy amin’ny fitsaràna. Sady nahafaly no nampalahelo ny olona ity tranga ity. Nahafaly satria mba avotra soa aman-tsara ilay zaza tsy manan-tsiny. Nampalahelo kosa anefa satria dia vitan’ny sasany ny nanary azy kanefa dia mba nateraka ihany. Mbola endriky ny fahantràna lalina hatrany ny toy izao : manary anaka !
D.R