Saika rakotra olona avokoa ireo fety aman-danonana teo an-drenivohitra omaly nandritra ny alatsinain’ny Paka. Amin’ireo olona marobe ireny anefa dia tsy maintsy ao foana ireo tontakely isan-karazany : ny mpangarom-paosy sy tontakely. Efa vonona tanteraka ny amin’ny fitandroana ny fahalemana anefa ireo pôlisy, izay saika tazana sy maro an’isa tokoa, nampian’ireo pôlisin’ny hery vonjy taitra ny kaomisaria, niambina ireny toerana ireny. Tao anatin’izany no fantatra fa nisy mpanendaka valo tra-tehaka teo am-panaovana ny asa ratsiny tao anatin’ireny fety ireny. Ny roa tamin’ireo dia voasambotry ny pôlisin’ny UIR teny amin’iny faritra Andohatapenaka iny. Efa samy « ditsoky ny rongony » avokoa izy roalahy ireto araka ny fanazavàna azo. Ny fito tamin’ireto mpanendaka ireto kosa dia voasambotra teny amin’iny manodidina an’i Mahamasina iny. Nisy naman’izy ireo iray ihany koa tra-tehaka teo am-pidorohana rongony. Samy nentina nanaovana fanadihadiana tany amin’iny biraon’ny pôlisy avokoa moa ireto tontakely ireto.
Azo lazaina tokoa fa nilamina ary tonga amin’ilay tanjona napetrak’ireo mpitandro filaminana ho « paka hieren-doza » ny fety tamin’ity taona ity. Na ny lafiny fifamoivoizana na ny loza aza dia saika ankavitsiana no nandrenesana izany teto an-drenivohitra. Raha ny omaly manokana, dia ny hariva nandritra ny firavan’ireo fety aman-danonana isan-karazany no nitrangana lozam-pifamoivoizana tetsy amin’iny « boulevard de l’Europe ». Vehivavy no naratra voadonan’ny fiara. Efa tonga teny an-toerana ireo pôlisy nanao ny fizahana ifotony sy nandamina ny fifamoivoizana. Nentina namonjy toeram-pitsaboana kosa ilay naratra.
m.L