Tsy nilaozan’ny tsy nisy nanararaotra ny fetin’ny faran’ny taona, toy ny isan-taona ihany. Ny alin’ny 31 desambra lasa teo, dia nahatratra 49 ny olona nosamborina ka nampidirina « violon », raha araka ny tatitry ny lehiben’ny kaomisarian’ny boriborin-tany valo eto an-drenivohitra. Maro tamin’ireo, nahatratra 18 ny olona izay mamo loatra ka nitarika korontana teny amin’ny arabe. Voatery notazonina izy ireo, indrindra koa, nisy ny nanangana ady tetsy sy teroa. Ankoatr’izay, dia nisy koa ny mpanendaka (enina), sy mpangarom-paosy (dimy) izay tratra ambodiomby nandritra ny fisafoan’ny pôlisy tamin’ny boriboborin-tany mafampana teto Antananarivo. Nisy ny olona izay sarona nifoka zava-mahadomelina ary nahatratra 12 tamin’izy ireo no voatery nosamborina sy nohidina tao amin’ny foiben’ny polisy. Olona iray kosa no namoy ny ainy, noho ny lozam-pifamoivoizana. Momba izany ihany dia fantatra, raha araka ny tatitry ny polisy hatrany, fa nisy telo hafa naratra rehefa niharan’ny lozam-pifamoivoizana. Tao anatin’ny fety kosa, dia mba tsy nisy ny fanafihana mitam-piadiana teto an-drenivohitra. Raha adika tsotsotra izany, dia ny mamo ka niady teny an-dalambe no tena betsaka. Tsy dia zava-baovao ihany izany, satria eto amintsika dia toa ny tsy mifety ny maro raha tsy safononoka anatin’ny alikaola. Teny amin’ny hopitaly Hjra koa dia betsaka tamin’ny olona notsaboina no toran’ny toaka. Tao anatin’izany aza, dia nisy ny mbola adolantsento. Malalaka loatra ny fivarotana toaka sy ny didy aman-dalàna mifandraika amin’izany. Ahazoan’ny fanjakana hetra ambony be ihany koa ny varotra azy ireny ary heverina fa misy hifandraisany izany. Ny tena olana, dia misy fiantraikany any amin’ny lafiny fandriampahalemana hatrany izany fahalalahana izany. Tsy tenenina intsony ny mety ho lafiny ratsy ara-pahasalamana. Tsiahivina, fa ny Malagasy dia manodidina ny 47 taona ankehitriny ny hahafatesan’ny maro aminy (espérance de vie)…
D.R