
Roa tapitrisa ariary teo ho eo no nokasain’ity tovovavy mpanampy iray, nentina nitsoaka rehefa avy nangalariny tao amin’ny mpampiasa azy. Nahazo fampandrenesana aloha anefa ny zandary ary tsy ela dia voasambotra ikala. Tranga niseho tao Ambavahaditokana Itaosy ny faran’ny herinandro teo. Raha fampitam-baovaon’ny zandary dia ankevitry ny efa maty paika tanteraka ny tetik’ity mpanampy vavy ity, haka izay vola rehetra nipetraka tao an-trano, ary hitsoaka miaraka tamin’izany. Voalaza mantsy fa nandrasany handeha hiasa avokoa ireo tompon-trano. Rehefa iny izy irery iny no tao an-trano dia tapitra nosavainy avokao izay hirika rehetra mety ho nametrahan’ireo mpampiasa azy ny volany. Rehefa tsy nahita eran’ny trano dia nanan-tsaina ny ao amin’ny efitra fatorian’ny tompon-trano. Mazava ho azy fa mihidy io efitrano saingy vitan’ity mpanampy ity mihitsy, hoy ny vaovao, ny nanapitsoka sy namaky izany. Hita tao ireo volabe ary nataony tsara afina tao anatin’ny gony nisy ny entany. Efa an-dalana hitsoaka izy izao sendra ny zandary izao ka noraisim-potsiny. Tsy afa-nandà rahateo noho ireto vola hita tao anaty entany. Tsy tranga vao omaly tokoa ny tranga tahaka izany ary efa maro ireo very vola sy fananana lafo vidy maro noho ireny mpanampy an-trano ireny, izay tsara marihana fa tsy izy rehetra akory. « Aoka ho mailo hatrany. Tsy misy marika manokana io olona io hoe ity mety hangalatra », hoy ny fanentanana avy amin’ireo zandary.
m.L