- Publicité SW45 -
mercredi, mars 12, 2025
AccueilFaits-DiversAmbalabongo-Maevatanàna : Lehilahy iray maty voahitsaky ny sarety

Ambalabongo-Maevatanàna : Lehilahy iray maty voahitsaky ny sarety

Hataraina an’ireo fokon’olona tany amin’ny fokontan’Ambalabongo, any amin’ny kaominina ambanivohitra Berivotra 5/5, ato anatin’ny distrikan’i Maevatanàna, raha nahita ny loza niseho tamin’ilay lehilahy, izay maty vaky tatavy, rehefa nodiavin’ny kodiara-tsarety teo amin’ny kibony ny talata antoandro 21 May 2024 teo. Raha ny fitantaran’ireo olona nanatri-maso ny zava-nitranga taminay hatrany, dia lehilahy iray tokony ho eo amin’ny efapolo taona eo no nandeha an-tongotra hamonjy fiodiana any amin’ny fokontan’Anosimiadana, izay avy namonjy tsena talata tao amin’ny Kaominina voalaza etsy ambony, ka nisy sarety roa avy nanatitra entam-bokatra avy ao aorianany, sady nandeha mafy nifampisongona. Teo no navoafaokan’ny sarety an’ilay lehilahy no nitsirara tamin’ny tany, mbola nodiavin’ny kodiram-by ny kibony. Maty tsy tra-drano sady vaky tatavy no izy, teny amin’ny lalam-pirenena fahefatra, tao amin’ny fokontan’Ambalabongo. Tsy nisy na inona azo nataon’ny fokon’olona tamin’ilay maty, fa tonga dia nomena ny fianakaviany ao amin’ny fokontany Mariamana ny razana. Ny nahavanona ny loza kosa natolotr’ireo fokon’olona teny amin’ny Zandary ao Berivotra 5/5, mba hanokafana fanadihadiana.

Ratantely

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici