Na dia manao izay fomba rehetra hamotehana ny mponina any ambanivohitra any aza, ireo malaso amin’ny alalan’ny fanafihana mitam-piadiana hataony, dia tsy mihemotra amin’izy ireo hatrany ny zandary. Raha ny angom-baovao voaray hatrany dia dahalo telopololahy nitondra basim-borona efatra no nanatanteraka fanafihana, tao amin’ny tanàna atao hoe Ambalafety, fokontan’Antsohery, any amin’ny kaominina ambanivohitra Tsararano, ato anatin’ny disitrikan’i Maevatanàna, ny alin’ny faha 27 desambra taona 2024 teo iny, tokony ho tamin’ny folo ora teo. Vokany: lehilahy iray no voatifitra tamin’ny feny, saingy tsy misy atahorana kosa ny toe-pahasalamany, ary olona roa hafa naratra vodaroka. Lasan’ireo olon-dratsy tao am-bala ny omby anankisivy. Taorian’izay no nandray ny fepetra amin’ny fanarahan-dia ny zandary telolahy avy ao Bevilany, notarihin’ny lehiben’ny tobim-piantsoan’izy ireo. Noho ny firotsahan’ny orana dia tsy hita ihany koa soritra, amin’ny alalan’ny dian-tongotra, ka marainan’iny no hita niampita ny lalam-pirenena fahefatra, tao atsimon’ny fokontany Maromalandy mianatsinana, ny dian’ireo malaso. Nampandrenesina nalaky ihany koa ny zandary, avy ao amin’ny zana-tobim-paritra Ambalajankomby mba hanao ny sakana. Tokony tamin’ny enina ora maraina teo ho eo no hita ny omby telo, raha teny Andengilava, fokontan’Andranofasika kely, any amin’ny kaominina ambanivohitra Ambalajankomby, ny omby ambiny no tratra. Nitsoaka nandositra ireo olon-dratsy. Efa nomena ny tompony avy moa ireo omby ireo, saingy mitohy hatrany ny kosa ny fikarohana ataon’ny mpitandro ny filaminana ho an’ireo jiolahy.
Ratantely