- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversAmbalajanakomby : Maty voatifitra teo amin’ny lohany ny ben’ny tanàna teo aloha

Ambalajanakomby : Maty voatifitra teo amin’ny lohany ny ben’ny tanàna teo aloha

Tena faritra anjakan’ny tsy fandriampahalemana ny ato amin’ny disitrikan’i Maevatanàna. Saika andrenesana fitifirana olona sy asan-jiolahy hatrany ny aty an-toerana. Nirefodrefotra indray mantsy ny basy tao amin’ny tanànan’Antsohihibe, fokontany Maromalandy, kaominina Ambalajanakomby, disitrikan’i Maevatanàna, ny Asabotsy 18 Aogositra lasa teo tokony ho tamin’ny 7 ora hariva. Ben’ny tanàna teo aloha iray any an-toerana no notafihana jiolahy 20 lahy nirongo fitaovam-piadiana mahery vaika. Araka ny fanazavana azo tamin’Atoa Beanahoda; izay lehiben’ny dinam-pokonolona ato amin’ny faritra Betsiboka, dia niditra an-keriny  tao amin’ity tokantrano iray notafihany ireo dahalo sady nanapoaka basy no nandrahona ny tompon-trano sy ny mponina teo amin’ny manodidina, mba tsy hivoaka. Taitra ny tompon-trano raha nandre ny feom-basy. Tonga dia norahonan’ireo malaso tamin’ny basy avy hatrany anefa ny ben’ny tanàna teo aloha sy ny vadiny, ka tsy nisy afa-nihetsika, no sady mbola notakian’izy ireo  vola, saingy nilaza fa tsy nisy vola. Teo no nahatonga ireo olon-dratsy ho nitifitra ny ben’ny tanàna rehefa nandà ny fitakian’ireo jiolahy izy, ka voan’ny teo amin’ny lohany ny tenany, ary maty tsy tra-drano, ny vadiny kosa tsy nataon’izy ireo na inona. Voaroba nandritra izany ny vola efa tsara pirina tao an-trano, mitentina fito hetsy  ariary niaraka tamin’ireo omby 90 tao am-bala. Tsy nijanona ela ireo fa nitsoaka nandositra haingana rehefa vita ny nataony. Nampandrenesina avy hatrany ny mpitandro  filaminana taorian’izay mba hanenjika ireo dahalo, saingy tsy mbola  nisy voasambotra. Mbola mitohy kosa ny fikarohana, ary efa naterina ao an-tampon-tanànan’Ambalajanakomby kosa ilay razana.

Ratantely

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici