Ny tapaky ny volana teo, nitrangana fifandonana mahery vaika tao amin’ny kizo Valinjato, any amin’iny kaominina Ambalanjanakomby, distrikan’i Maevatanana. Fifandonana izay nifanandrinan’ny zandary sy andian’olon-dratsy, ary nahavoatifitra sy nahalavo ireto farany. Efa-dahy izy ireo, raha ny voalaza. Ny iray izay olona nahiahiana ho dahalo, handeha hanoro ny toerana ny namany iray no nanararaotra ity fifandonana ity ka nandosirana. Ary ny telo hafa, « zazafotsy » avy ao Anjiajia, distrikan’Ambatoboeny.
Talohan’izay fotoana izay tokoa mantsy dia nitrangana fanafihana tao amin’ny tanàn’Antanambao, kaominina Tsararano. Omby am-polony maro no lasa tamin’io fotoana, niaraka tamin’ny finday sy fitaovana maromaro. Nisy nahatsikaritra ny iray tamin’ireo olon-dratsy ireo ary nilaza tamin’ny zandary avy ao Bevilany. Tsy ela dia voasambotra ilehio, noho ny fahaiza-manaon’ireo mpitandro filaminana ary tra-tehaka tao amin’ny kaominina Ambalanjanakomby. Niaiky izany rahateo ingahy ary nanaiky ny hanoro ny toeran’ny olon-dratsy iray fantatra amin’ny anarana hoe Zino, mpiray tsikombakomba taminy sy tompon’ny basy nanafihana. Ity farany moa izay efa dahalo raindahiny, voatonona matetika ary hanaovana fikarohana hatramin’izao.
Teny an-dalana ho any amin’ity olon-dratsy karohina ity no nifanehatra tamin’ireo telolahy nampiahiahy izy ireo. Ireto farany ihany koa, raha vao nahita ireo zandary dia avy hatrany dia nitifitra. Namaly sy voatery niaro tena ireo mpitandro filaminana ka io niafara tamin’ny fahafatesan’ireo olon-dratsy.
Nivadika anefa ny zava-nisy taty aoriana ary nisy niezaka nanely feo fa ankizy handeha haka kitay ireto voatifitra ireto fa tsy olon-dratsy. Raha ny fanazavana nomen’ireo mpitandro filaminana anefa dia nilaza fa nahitàna basy poleta vita gasy tany amin’izy ireo, niaraka tamin’ny zava-maranitra isan-karazany ary ody gasy. Ambonin’izay, ireo omby teny am-pelan-tanany ihany koa dia fantatra anisan’ireo omby very tao Antanambao. Tsy vitan’izay fa mbola tao amin’ny tranon’i Zino, ilay olon-dratsy saika hotadiavina izy ireo nivantana sy natory. Iry voalohany moa izay tafatsoaka sy tsy hita tany nanjavonana. Manginy fotsiny ny hoe, tsy hisy olona handeha hitady kitay any amin’ny 50 kilaometra miala ny tanany any an-tany karakaina kanefa any amin’izy ireo feno hazo tsara.
Ratantely