Tao anatin’ny fisafoana no niseho ilay fikasàna hamono polisy. « Tokony ho misasakalina ny alakamisy teo, nandritry ny fisafoana tsotra, no nisy telo lahy tazana nihaodihaody sy hafahafa fihetsika. Raha vao nahatazana ireo polisy rahateo izy ireo dia nirifatra nitsoaka » raha araka ny fanazavan’ny polisy avy ao amin’ny kaomisaria Mahanoro. Raikitra arak’izany ny fifanenjehana na dia tao anatin’ny haizina mikitroka aza. « Jiolahy iray no saika hamono polisy tamin’ny sabatra ka voatery nampiasa fitaovana teny aminy ireo mpanao fisafoana. Voatifitra rehefa nampitandremana ka tsy nanaiky mora. Namoy ny ainy noho ny tifitra nahazo azy ary mbola tratra teny aminy ny sabatra iray sy “pince coupante” iray raha araka ny vaovao azo avy amin’ny polisy hatrany. Notohizan’izy ireo ny fanadihadiana sy ny fanamarinana rehetra dia jiolahy efa mpamerin-keloka ary efa imbetsaka niditra am-ponja io lehilahy 22 taona izay maty voatifitra io. Naterina teny amin’ny tranom-paty avy eo ary mbola nitohy ny fikarohana ny namany hatramin’izao.
D.R