- Publicité -
mercredi, juin 4, 2025
AccueilFaits-DiversAmbalakisoa Toamasina : Kioska notafihana dimy lahy nitondra basy

Ambalakisoa Toamasina : Kioska notafihana dimy lahy nitondra basy

Miha-manakaiky indray ny taom-pihotazana lodsia sy ny andro fety eto Toamasina izay fotoana mampiakatra ny tahan’ny tsy filaminana eto Toamasina araka ny fahitan’ny OMC azy. Tsy 48ora taorian’ny famoriana nataon’ny OMC ireo filoham-pokontany niaraka tamin’ny mpitandro ny filaminana, omaly tolakandro dia efa nitrangana fanafihana Kioska misahana ireny fikirakirana vola amin’ny finday ireny tao Ambalakisoa Toamasina. Raha ny vaovao voaray dia jiolahy dimy  no nanao izany fanafihana izany, ka ny telo nitondra basy niditra ilay kioska saika haka ny vola tao, ny roa kosa efa niandry tamina môtô teo an-dalam-pasika mifanila amin’ity kisoka ; saingy tao anatin’ny fandalovan’ny polisy manao fisafoana isam-pokontany mihintsy no niseho ny fanafihana ka raikitra avy hatrany ny fanenjehana. Tsy nahazo na inona na inona ireto andian-jiolahy ireto tamin’izao fanafihana nataon’izy ireo izao, nisy iray voasambotry ny polisy ihany koa tamin’izao fifanenjehana izao ka ny fanadihadiana ity voasambotra ity no nahalalan’ny polisy ny ekipa niaraka taminy ka eo am-pikarohana azy ireo ny polisy ankehitriny. Ny tranga toy izao no nahatonga ny prefen’i Toamasina Benandrasana Cyrille nametraka hafatra mafonja ho an’ireo filoham-pokontany ny tsy maintsy hametrahan’izy ireo andrimasom-pokonolona miasa andro na alina isam-pokontany. Tsy ho resy mantsy ireo andian-jiolahy ireo raha tsy misy ny fiaraha-miasan’ny fokonolona sy ny mpitandro ny filaminana amin’ny fanomezam-baovao mazava sy matotra.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici