- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversAmbalamanakana RN7 : Dahalo raindahiny sarona niaraka tamin’ny basy vita gasy roa

Ambalamanakana RN7 : Dahalo raindahiny sarona niaraka tamin’ny basy vita gasy roa

Ny faran’ny herinandro lasa teo, dia dahalo raindahiny iray, efa ela nokarohina noho ny asa ratsy vitany no voasambotry ny zandary avy ao amin’ny Vondron-tobim-paritra Ambositra. Tratra niaraka tamina basy vita gasy roa ity farany, izay niaraka tamin’ny bala  12. Anisan’ny faritra mena amin’ny  tsy fandriampahalemana tokoa raha ity kaominina Ambalamanakana ity, amin’iny làlam-pirenena fahafito iny. Manao ny ainy tsy ho zavatra tokoa anefa ireo mpitandro filaminana any amin’iny faritra iny, miezaka amin’ny famerenena amin’ny laoniny izany fandriampahalemana izany. Araka izany dia nisy loharanom-baovao azon’izy ireo mahakasika ity lehiben’ny jiolahy ity, izay miafina ao amin’ny tanàna iray ao amin’ny fokontany Manarinony, kaominina Ambalamanakana, distrika Ambositra. Nidina avy hatrany tany an-toerana ireo zandary, izay notarihana manamboninahitra iray. Sarona tao tokoa ity lehilahy ity niaraka tamin’ireo fitaovam-piadiana. Nanaiky nilavo lefona moa izy io teo anatrehan’ireo mpitandro filaminana, ary nentina avy hatrany natao famotorana. Noheverina, fa teo am-pikasana ny hanao ny asa ratsiny angamba ny lehilahy, saingy izao voasambotra izao. Inoana araka izany, fa mbola misy namany sy mpiray tendro aminy mandehandeha any ary efa mandeha ny fikarohana azy ireo.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici