- Publicité -
samedi, mai 24, 2025
AccueilFaits-DiversAmbalamanasy Toamasina : Saron’ny zandary ireo andian-jiolahy mpamaky trano

Ambalamanasy Toamasina : Saron’ny zandary ireo andian-jiolahy mpamaky trano

Tena harifitaovana ireo jiolahy.

Samy manao ny ezaka amin’ny fari-piadidiany avy ireo mpitandro filaminana eto Toamasina. Saron’ny zandary teto Toamasina indray mantsy ireo mpamaky trano gaigy lahy, izay nalaza tamin’iny faritra Toamasina suburbaine sy Toamasina faharoa iny ankehitriny. Efa maro ireo lasibatra nataon’izy ireo nandraingiraingy tamin’izany vaky trano izany. Amin’izay indray mbola mandratra olona manohitra azy ireo amin’ny fitaovana ampiasainy, izay sarona teny amin’izy ireo avokoa izany tamin’ny fisamborana natao. Sarona teny amin’izy ireo koa ny fanamiana miendrika fanamanian’ny mpitandro filaminana fampiasan’izy ireo amin’ny asa ratsy fanaony. Tao Ambalamanasy vaki-paritra voalohany no nahatrarana azy ireto, ary teo ampikotrehina vaky trano hafa indray izy ireo izao tratran’ny zandary Toamasina izao. Tsy maintsy hiakatra fampanoavana izy ireo aorian’ny fakana am-bavany azy ireo. Milaza ny zandary fa eo akaikin’ny vahoaka mandrakariva ny zandary, ary mitohy hatrany ny ezaka amin’ny fametrahana an’i Toamasina ao anatin’ny filaminana.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici