- Publicité -
dimanche, mai 11, 2025
AccueilFaits-DiversAmbalamanasy Toamasina : Tratran’ny FIP ny valo lahy ikohizana amin’ny famakian-trano

Ambalamanasy Toamasina : Tratran’ny FIP ny valo lahy ikohizana amin’ny famakian-trano

Saika isanandro dia mahazo fitarainana sy fitoriana ny FIP eto Toamasina amin’ny resaka vaky trano ao amin’ny fokontany Ambalamanasy, carreau I sy II ary III. Ireo kojakojan-tokantrano sy fitaovana elektronika ary ireo entana mora bataina dia lasibatr’ity andian-jiolahy ity avokoa. Raha naharay antso ny polisin’ny FIP ny alakamisy tolakandro teo dia tonga nisambotra ireto andian-jiolahy izay mitondra tsy filaminam-bahoaka ireto. Tsy vitan’ny maka ny entana ao an-trano lasibany ireto andian-jiolahy manao andiany valo ireto, fa mbola mamono ihany koa ho an’ireo tokantrano manakana ny asa ratsiny. Ny faran’ny herinandro teo dia tokantran’ny mpampivelona miasa any an-toerana, sy fianakaviana tsy tafody noho ny fetim-pianakaviana, no lasibatr’ireto andian-jiolahy ireto. Tsy nisy niangana afa-tsy ny fitafiana sy fanakana tsy zakan’izy ireo tao an-trano. Raha ny fanazavana dia tokantrano manodidina ny roapolo no efa novakian’ireto andian-jiolahy miisa valo ireto. Ny angom-baovao ihany koa no nahalalana fa vao nivoaka ny fonja ny volana jona farany teo noho sazy enim-bolana azony tamin’ny resaka halatra sy vaky trano ihany, Ingahy Donah, 33 taona, sefon’ireto andian-jiolahy ireto, sy Ingahy Daniel 30 taona lefiny. Ingahy isany Patrick, Fidele, Jean, Francis, ary Jacky sy Faly izay voasambotra ny zoma maraim-be, kosa dia naman’izy ireo nantsoina nanamafy ity andian-jiolahy mpamaky trano ao Ambalamanasy ity. Maro ireo entana tratra ho porofon’ny famakiana trano vitan’izy valo lahy hita tao an-trano ipetrahany, sy nalaina tany amin’ny tranon’olona nivarotan’izy ireo izany ihany koa. Manao antso avo noho izany ny polisy ho an’ireo nanana trano vaky tao Ambalamanasy rehetra mba ho tonga eny anivon’izy ireo hijery sy hanamarina ireo entana efa hita hatreto…

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici