- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversAmbalamanga-Maevatanàna Omby telo vala lasan’ny jiolahy, lehilahy iray nalaina natao takalonaina

Ambalamanga-Maevatanàna Omby telo vala lasan’ny jiolahy, lehilahy iray nalaina natao takalonaina

Efa tsy tahotra sy henatra intsony ny jiolahy manafika, fa amin’ny andro mazava. Dia  efa miova indray ny fomba fiasan’ireo dahalo ato amin’ny disitrikan’i Maevatanàna. Andro maraina amin’ny 07 ora no tonga nanafika tany amin’ny fokontany Ambalamanga, Kaominina Bemokotrà, disitrikan’i Maevatanàna ireo dahalo .Ny maraina Alarobia 25 Oktobra teo no nitrangan’izany fanafihana izany. Araka ny tatitra voaray avy any an-toerana, dia 09 lahy niaraka amin’ny fitaovam-piadiana mahery vaika toa ny «basim-borona efatra» sy «Kalachnikov telo,» ka lasa tao anatin’izany ny omby telo vala. Ary nisy raim-pianakaviana iray natao takalonaina, ny olona moa tsy nisy sahy nanohitra satria misy basy teny amin’ireo olon-dratsy ary tena nitifitra rahateo izy ireo. Niditra an-tsehatra avy hatrany ny zandary efa-dahy avy ao amin’ny « poste Avance Bemokotrà,» no nanao ny fisakanana ny kizo tao Amboasary talohan’ny niangan’ny mpanara-dia. Ka raikitra ny fiafampitifirana teo amin’ny roa tonta, ka tsy naharesy tosika ny dahalo, dia vaky nandositra, fa azo ihany ilay rangahy natao takalonaina. Tafaverina tamin’ny tompony ny omby telo vala. Tsy nisy naratra kosa ny Zandary sy ireo mpanara-dia nanadritra ny fiafandonana. Mitohy ny fanarahan-dia ireo dahalo, ary nosokafana ihany koa ny fanadihadiana momba ity fanafihana nadamoka ity. Amin’izao fotoana izao dia tsy misy olona intsony ny ao amin’io tanànan’ny Ambalamanga io, fa lasa nitsoaka any Beomokotrà miafina ao am-piangonana sy ao an-tsekoly, ka tsy misy mianatra ny mpianatra any an-toerana nohon’ity asan-jiolahy izay  mahazo vahana ity. Manoloana izay dia, manao antso avo amin’ny tomponandraikitra ireo mponina, mba hijery azy ireo mba hiverenan’ny fandriam-pahalemana any an-toerana indray.

 

Ratantely

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici