mercredi, avril 2, 2025
AccueilFaits-DiversAmbalanirana Tsiroanomandidy: Mitokona tsy mety miasa intsony ny sefo fokontany

Ambalanirana Tsiroanomandidy: Mitokona tsy mety miasa intsony ny sefo fokontany

Ambalanirana Tsiroanomandidy Mitokona tsy mety miasa intsony ny sefo fokontany
Ambalanirana Tsiroanomandidy
Mitokona tsy mety miasa intsony ny sefo fokontany

Mitokona tanteraka amin’izay ireo sefo fokontany ao amin’ny kaominina Ambalanirana,  Distrika Tsiroanomandidy, faritra Bongolava. Samy velon-tairaina noho ny tambin-karama tsy voaray avokoa ireo sefo fokontany rehetra ary nanantena fa ho voavaha  ny olana tamin’ny fanehoana’ny fitondram-panjakana fa haloa avy hatrany alohan’ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana voalohany  teo ny tambim-karama tsy voaray. Niezaka nanatontosa ny fifidianana fihodinana voalohany ihany izy ireo noho ny adidy amin’ny tanindrazana.

Nentina teo anatrehan’ny mpitondra isan’ambaratonga ny fitarainana nefa hatramin’izao tsy mbola voavaha ny olana. Na sefo fokontany samy ao anatin’ny distrika Tsiroanomandidy aza dia misy ny tsy fitoviana, ao ireo efa naharay ny tambin-karamany na amin’ny ampahany, ao ireo tsy mbola tsy naharay mihitsy efa roa taona izao. Tsy nilefitra intsony ny sefo fokontany rehetra manerana ny kaominina Ambalanirana ka sady niroso tamin’ny fitokonana teo anolonan’ny biraon’ny kaominina izy ireo ny sabotsy teo no namerina avy hatrany ny (cachet) fitomboky ny fokontany ho eo am-pelatanan’ny  Lehiben’ny Boriborintany Ambalanirana.

Tambin-karama mandritra ny 18 volana, nanomboka tamin’ny volana may taona 2012 hatramin’izao novambra izao ireo tsy mbola noraisina ireo ho an’Ambalanirana.

Najanon’izy ireo koa ny fanaovana ny asa maha sefo fokontany azy manerana ireo fokontany enina ambinifolo ary milaza izy ireo fa raha tsy voaray ny tambin-karama tsy hanohy ny asa.

Velon-taraina noho izany ireo vahoaka, indrindra amin’ny fikarakarana ny fifidianana, ao anefa ireo olom-pirenena nanana olana tamin’ny lisi-pifidianana sy ny kara-pifidianana tsy mahita izay haleha sy hatao.

Mampanahy noho izany ny hahatomombana antsakany sy andavany ny raharaham-bahoaka ao amin’ny kaominina Ambalanirana sy ireo fokontany hafa rehetra misedra olana toy izao manerana ny distrikan’i Tsiroanomandidy.

H.J 

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici