Vaky ny fonjaben’Ambalatavoahangy, Toamasina, omaly hariva tokony ho tamin’ny efatra ora tany ho any. Gadra telo lahy no tafatsoaka tamin’io fotoana io. Saingy nahazo fampandrenesana haingana ireto tompon’andraikitry ny fonja. Vokany, ny iray tamin’ireo telo lahy no maty voatifitr’ireo mpiandry fonja, raha mbola saika handeha hihanika fefy. Tafaporitsaka kosa ny roa ambiny, saingy tsy lasa lavitra fa voasambotr’ireto mpitandro filaminana, teny Anjoma. Toa tetika efa nomanina mihitsy ny azy telo lahy ireto raha ny fanazavana azo. Rehefa alahady tokoa mantsy ,dia marobe ireo olona mifamezivezy ao amin’ny fonja. Etsy andanin’izay dia miompana tanteraka amin’ny resaka fivavahana ny fandaharam-potoana ao an-toerana, ankoatr’ireo fianakavian’ireo voafonja tonga mamangy havany. Tamin’izay fotoana noheverin’izy ireo fa nahavariana ireo mpiandry fonja izay no nanararaotin’izy telolahy nitsoahana ny efitrano nitanana azy ireo. Efa tafatsambikina ny fefy niaro ity fonjaben’i Toamasina ity, ny roa tamin’io gadra vao nahazo fampandrenesana ny mpiambina. Teo am-piomanana ny hitsambibikina iny kosa ny fahatelo no voatifitra ka dia maty. Voasambotra teo am-body fefy, teo am-piomankomanana ny làlana hizorany kosa ny faharoa. Nahare ity fahavakian’ny fonja ity moa ireto tompon’andraikitry ny filaminana tany an-toerana ka nandray ny andraikiny avy hatrany nanenjika ilay nandositra. Tany Anjoma vao voasambotra ity farany. Gadra voaheloka hisazy ao an-toerana, noho ny resaka vono olona sy halatra ireto voafonja, saika hitsoaka ireto, araka ny fanazavana azo. Taorian’izany fikasana hitsoaka ny fonja izany, dia fantatra fa efa nanamafy ny fiambenana ireo tompon’andraikitra, sao mantsy mbola hisy hanita-tsaina hanaraka ireto namany ireto indray. Efa namafisina torak’izany ihany koa ny fitandroana ny fandriampahalemana any an-toerana.
m.L / Malala Didier