Olana goavana no iainan’ny mponina isan’andro ao amin’ny kaominina ambanivohitra Ambalatenina Toamasina faharoa ankehitriny. Ahitana olana ara-tany goavana any an-toerana amin’izao fotoana izao, izay bodon’olon-tokana ny tany mirefy 165ha ao Ambalatenina. Mitaraina amin’ireo tompon’andraikim-panjakana vokatra izany ireto mponina ka nilanja sorabaventy ny alahady teo nampiseho ny ahiahy sy ny fahatezerany amin’ny zava-mitranga. Nambaran’ireto vahoaka marobe nilanja sorabaventy nitety Tanana, fa trano miisa 700 misy vahoaka 1.500 eo no voakasika ao anatin’ity ady tany goavana ity ary efa manomboka mandrava ireo trano ao anatin’izany ireo milaza ho tompon’ny tany ka efa maromaro ireo trano rava ankehitriny. Nambaran’ireto vahoaka ihany koa fa misy ny fiangonana sy sekoly ao anatin’ireo tsy maintsy miala amin’izao raharaha tany ao Ambalatenina izao. miandry fanazavana avy amin’ny ben’ny Tanàna sy ny tompon’andraikim-panjakana ireto vahoaka amin’izao taniny lasan’ny olon-tokana izao. Hiamafy ny hetsika hatao raha tsy misy ny fanazavana ny anton’izao toe-javatra izao, satria tsy mahita ny aleha ireto vahoaka.
Malala Didier