Ny 16 jiona teo no nisehoana lozam-pifamoivozana tetsy Ambalavao RN7(PK26+500), ny folok’andro. Fiara Mazda sy kamiao iray no nifandona. Mahitsy moa ny lalana sady mikodana, ka voasarika handeha mafimafy ireo fiara mifamezivezy. Nijanona tamin’ny sisin-dalàna ity fiara lehibe no nihemotra tampoka. Marihina fa tsy nisy mpamily tao anatiny tamin’izany, efa antomotra moa ilay fiara Mazda ka tsy afaka nihemotra intsony ka nahatonga ny fifandonana.
Tao anaty Mazda moa ity ramatoa naratra ity ka efa nalefa notsaboina tany amin’ny Hopitaly HJRA. Efa eo am-pelatanan’ny zandary any an-toerana kosa moa ny raharaha amin’izay mety ho nampihemotra ity Mazda ity ka fositra nahatonga ny loza. Mateti-pitranga ny ohatra an’izao ka hanairana ny sain’ireo mpitondra fiarakodia mba samy ho malina hatrany amin’ny fikojakojana ny fiara, satria ny tsy fitandremana kely fotsiny dia mety hanimbana na handratrana olon-kafa.
ALEM