Ny zoma lasa teo no natolotra teny anivon’ny Fampanoavana ireo roa lahy, voarohirohy tamin’ny famonoana feno habibiana vehivavy iray 21 taona, tetsy Ambalavao Atsimondrano. Nandray fanapahan-kevitra avy hatrany ny hampiditra azy ireo teny amin’ny fonjaben’i Tsiafahy ireo mpitsara mpanao famotorana.
Raha tsiahivina dia efa vehivavy tsy nahatsiaro tena intsony, tao anaty rà mandriaka no hitan’ny fokonolona teo amin’ny fokontany Amboniandrefa, ao amin’ny kaominina Ambalavao, distrikan’Atsimondrano ny herinandro teo. Tsindrona antsy no nahazo an’ity farany ary toa mbola nodarohina tamin’ny hazo ihany koa, raha ny vaovao azo. Nampandrenesina avy hatrany ny mpitandro filaminana, ireo zandary avy ao amin’ny zana-tobim-paritra Ambalavao ary tonga teny an-toerana. Tamin’io fotoana io dia fantatra fa mbola nisy aina ilay tovovavy ary nentina novonjena haingana taty amin’ny hôpitaly taty an-drenivohitra. « Mbola manaraka fitsaboana amin’izao io tovovavy io, hoy ny fampitam-baovao ».
Taorian’ity tranga ity dia nanao ny fikarohana ireo olona mety ho nahavanon-doza ireo zandary. Ary tsy ela taorian’izay dia voasambotra ireto roa lahy ireto, izay azo heverina avy hatrany fa tompon’antoka tamin’ity vono ity. Mbola tratra teny aminy ny sabatra iray sy vatan-kazo, izay nampiasain’izy ireo. Notanana natao famotorana avy hatrany moa izy roa lahy ireto ary io natolotra ny Fampanoavana sy nadoboka eny Tsiafahy io.
m.L