- Publicité SW45 -
samedi, juillet 27, 2024
AccueilFaits-DiversAmbalavao : Dahalo nanafika, olona iray maty

Ambalavao : Dahalo nanafika, olona iray maty

Ny alin’ny sabotsy teo no nanafika tao amin’ny tanànan’i Vohitsao ireto malaso, tsy hay isa marina moa izy ireo noho ny hamaizinan’ny andro. Vao naheno ny poa-basy ny fokonolona tao an-tanàna dia namonjy ny tra-boina avy hatrany. Ireto dahalo kosa tetsy andaniny dia mbola nitifitra ity lehilahy iray tompon’ny omby ary lasa nandroaka ireto omby roa hivoaka ny vala.

Tsy lasa lavitra anefa ireto jiolahy dia efa tao aorinany ny fokonolona, ka ny hany herin’izy ireo dia nitsoaka namonjy ny ainy. Ny fokonolona kosa naka ireto omby tavela. ny hopitaly avy hatrany no nitondrana ity naratra. Tsy tana anefa ny ainy noho ny rà be loatra very taminy ka maty ilay rangahy. Ny borigadin’ny zandarimariam-pirenena any Ankaramena moa no misahana ny fanadihadiana momba ity raharaha ity.

ALEM

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser